4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manina anao (sedram-pitia) - Ny Ainga

Toa mangingina ety raha tsy eo ianao malala

Toa mamanala akia nilaozanao

Fa malahelo mamelovelo

Maniina anao aho, manina anao.



    Ny lalantsika ity efa safidy ô ry tiana

    Lalam-pitia anie feno herisetra

    Tsy itarainana, izay no fiaiinana

Manina anao aho, manina anao.



Iny lalana iny

efa mirakitra ireo dinantsika teny

Natrehan’ny habakabaka iny nifamihina e

Tsy ho hadinoiko e ho tsiahiko



Ny lakantsika ity anivon-drano malala

Ny ao an-tanàna koa misy mandrahona

Fa manantena ilay fandresena

Manina anao, manina anao



iny lalana iny...



Na fandrahonana hatrany am-ponja aza

Tsy nahasaraka mbola hifamihina

Fitia tsy miahotra tsy misy tahotra

Manina anao aho, manina anao



Iny volana iny

Nanatrika iny ranomaso harivariva

Lay tafasirintsika amorom-patana e

Sedram-pitia ô, sedram-pitia.

Partager manina anao (sedram-pitia)

Commenter manina anao (sedram-pitia)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite